Tongasoa eto amin’ny tranonkala Gitarako.com
Ny Mombamomba anay sy ny Tanjonay
Mino ny herin’ny mozika izahay ary indrindra ny gitara klasika. Tena faly izahay amin’ity fitaovana tsy lefin’ny fotoana ity ary te hizara izany fitiavana izany aminao.
Ny tanjonay dia ny hanome anao fiofanana feno sy azon’ny rehetra idirana mba hahatonga anao ho lasa mpitendry gitara klasika mahay, na vao manomboka ianao na efa manana traikefa. Ireo lesona rehetra dia voafantina manokana avokoa mba ho afaka hitarika anao amin’ny dingana rehetra amin’ny dianao mozika sy indrindra amin’ny gitara klasika.
Ny fomba fampianarana dia mifantoka amin’ny fandrosoana tsikelikely arakaraky ny fivoaran’ny mpianatra. Hanome anao ny fototra mafy orina amin’ny gitara klasika izahay, ao anatin’izany ny fihetsika, ny teknika filalaovana, ny famakiana mozika taratasy toy ny tain-dalitra na ny Solfège izany ary ny maro hafa. Namorona fandaharam-pianarana novolavolaina tsara izahay mba ahafahanao mandroso amin’ny hafainganam-pandehanao manokana sady manome anao ny fitaovana hampivelarana ny mahaizy azy ny mozika klasika sy ny fanehoana ara-javakanto.
Ho fanampin’ny lesona anaty horonantsary, dia manolotra loharano fanampiny koa izahay hahafahan’ny mpianatra manao fampiharana toy ny “Fichié pdf”, firaketana am-peo (support audio) sy horonan-tsary, fanazaran-tena ary toro-hevitra hanampy anao hampitombo ny fahatakaranao sy ny fahaizanao ny gitara klasika.
Na te-hitendry sangan’asa klasika malaza ianao, na mikaroka ireo sangan’asa ankehitriny na mamorona ny sanganao manokana aza, ny programa fanofanana ato aminay dia hanomana anao hiatrika ireo fanamby ara-mozika ireo ary haneho ny fahaiza-mamoronao.
Miaraha aminay izao ! ETSY IZATSY IZY !! Tongasoa ato amin’ny vondron’ny mpankafy gitara klasika. Hiaraka hampivelatra ny fahaizanao no tarigetranay, hanatsara ny fahatsapanao mozika ary hanampy anao hahatsapa ny fahafahanao ho mpitendry gitara klasika.
Enga anie ny Gitara hiaraka aminao amin’ny dianao, amin’ny andavanandrom-piainanao, hitondra rotsirotsy sy Fifaliana ho anao. Ary tsarovy fa ny hakanton’ity zavamaneno ity dia azon’ny rehetra ankafizina, na firy taona na firy taona.